TENY FAMPIDIRANA
Miarahaba antsika rehetra. Ity blog ity dia natsangana mba hizarana torohetra ho antsika Malagasy rehetra izay liana amin'ny fifindra-monina any Canada. Ho ezahintsika ho zaraina eto avokoa ireo mety ho lalana sy irika hahatongavana any, amin'ny ara-dalana mazava ho azy. Misy karazany maro ny fomba hahatongavana any Canada: - Asa, ity no tena be mpanao indrindra ho an'ireo mpifindra monina makany Canada - Mianatra, maro ihany koa ireo mpianatra mandeha mandranto fianarana any Canada - Mizaha tany, ity ihany koa dia fomba iray hidirana any, ary rehefa any dia amin'ny alalan'ny visa visiteur dia afaka mitady asa ary afaka avadika visa travailleur ilay visa visiteur rehefa vita ny pitsopitsony rehetra. Ho ezahantsika ho zaraina eto avokoa ireo dingana rehetra ireo, aiza no ahitana asa, aiza no ahitana lalana handeha hianatra, atao ahoana ny fomba fanaovana ilay visa viseteur. Manasa anao ary!